<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.H. Bayley</author>
<hymn_number>694</hymn_number>
<title>Enga ka hanana elatra soa FFPM694</title>
<lyrics>[V1]
 Enga ka hanana elatra soa
 // Aho etý //
 Mba hanidinako avo tokoa
 // Hody erý ! //
 Fo malahelo ny ratsy natao
 No ela-tsoa hitondra hankao ;
 Hanana elatra aho anie,
 Mba hanidinako ao !

[V2]
 Trano mamiratra tsara irý,
 // Raiko no ao //
 Na nahabe ahy aza ity,
 // Mamiko ao //
 Havako maro no sambatra ao,
 Faly ny foko hankeny izao ;
 Enga ka hanana elatra aho,
 Mba hanidinako ao !

[V3]
 Na dia an-danitra aza erý,
 // Lavitra va ? //
 Raha tarihin'i Jeso etý,
 // Ketraka va ? //
 Tsia, fa hiainga tokoa aho
 izao !
 Indro akaiky ny lala-mankao ;
 Enga ka hanana elatra soa,
 Mba hanidinako ao !

[V4]
 Andriamanitra Ray no erý,
 // Tsara tokoa //
 Jesosy koa 'Lay Mpamonjy
 tetý,
 // Zanaka soa //
 Ao ny Fanahy Masina re !
 Tapitra ao avokoa ny soa ;
 Hanana elatra aho anie,
 Mba hanidinako ao !</lyrics>
</song>